1 Timothy 3

1Matokia izao teny izao: Raha misy olona iray maniry ny ho mpiandraikitra, dia maniry asa tsara izy. 2Noho izany dia ny mpiandraikitra dia tsy maintsy tsy manan-tsiny. Tsy maintsy manambady vehivavy tokana izy. Izy dia tokony hahay handajalanja, hendry, tia filaminana, tia mandray olona. Tsy maintsy mahay mampianatra izy. 3Tsy tokony za-dratsy amin’ny divay izy, tsy mpila ady, fa kosa, malemy fanahy, feno fiadanam-po. Izy dia tsy tokony ho tia vola.

4Tokony hitantana tsara ny tokantranony izy, ary ireo zanany dia tokony hanaiky azy am-panajana tanteraka. 5Fa raha tsy mahay mitantana ny tokantranony izy, ahoana no hikarakarany ny fiangonan’Andriamanitra?

6Tsy tokony ho olona vao niova fo izy, mba tsy hieboeboany ka ho lavo amin’ny fanamelohana tahaka ny devoly. 7Izy ihany koa dia tsy maintsy tsara laza amin’ireo olona eny ivelany, mba tsy ho lavo anaty fahafaham-baraka sy ny fandriky ny devoly.

8Ireo Diakona, toy izany ihany koa, dia tokony ho mendrika. Izy ireo dia tsy tokony hisotro divay be loatra na tsy mahalala onona ara-tsakafo. 9Tokony hitazona ny fahamarinan’ny finoana nambara miaraka amin’ny feon’ny fieritreretana madio. 10Izy ireo ihany koa dia tokony ho sedraina mialoha, avy eo dia tokony hanompo satria tsy manan-tsiny izy ireo.

11Ireo vehivavy ihany koa dia tokony ho mendrika tahaka izany. Tsy tokony ho mpanendrikendrika izy ireo. Tokony hahay handanjalanja ary mahatoky amin’ny zavatra rehetra. 12Ireo Diakona dia tokony hanambady vehivavy tokana. Tsy maintsy mitantana tsara ireo zanany sy ny tokantranony izy ireo. 13Fa ireo izay nanompo tsara dia handray ny laza tsara sy fahatokisana lehibe amin’ny finoana ho an’ny tenan’izy ireo izay ao amin’i Jesosy Kristy.

14Manoratra ireto zavatra ireto aminao aho, ary manantena ny ho avy tsy ho ela any aminao aho. 15Fa raha tara aho, dia manoratra mba hahafantaranareo ny fitondran-tena ao amin’ny tokantranon’Andriamanitra, izay fiangonan’Andriamanitra velona, ilay vato fehizoro sy fiorenan’ny fahamarinana.

Tsy azo lavina fa ny fahamarinana nambara izay araka an’Andriamanitra dia lehibe: “Izy dia niseho tamin’ny nofo, nohamarinin’ny Fanahy, hitan’ny anjely, nambara teo anivon’ireo firenena, ninoan’izao tontolo izao, ary nasandratra tamim-boninahitra.”

16

Copyright information for PltULB